|
Antananarivo
11 mai 2006
Ho
an'ny Fianakaviam-be aty ampita an'ny Ranomasina terak'Itompokolahy
Rainizafimanga sy Itompokovavy Rasoavelo
Ry
havana malala,
Mamangy
sy mirary soa anareo rehetra aty ampita ny Ranomasina izahay
havanareo atty Madagascar.
Tohina
tokoa ny fo teo ampandrasana ny fanampiana ara-bola nataonareo
tamin'ny voina nahazo ireo zanakay tany Guyane Française (Amerika)
tamin'ny nianjera-nytranony sy namoizanay azy telo (3) mianaka.
Anizot
Rabarijaona Hanivololona
Anizot
Jivan Stevens ary
Ninja
Axelle
tamin'ny
02 décembre 2005 lasa teo.
Tsapa
tanteraka ny fitiavanareo anay, ka eo Andraimanitrin'ny fiadanana
hamaly soa be dia be anareo, ary fisaorana eram-po eran-tsaina
no atolotray mianakavy miampy ireo vady aman-janany any
lavitra any, ka ampitainay soa aman-tsara izao fitiavanareo anay
izao.
Ny
fanirianay, dia enga anie mba ho fifaliana sy firavoravoana no
hasetrin'ilay Zanahary antsika mianakavy ho solon'izao fitsapana
mavesatra izao.
Dia
mamerina ny fisaorana feno anareo rehetra izahay, ka hametraka ny
veloma finaritra ho mandra-pihaona.
Ny
havanareo tsy manadino
Razoeliranto
Zéphine- Rabarijaona Jarry - Rabarijaona Henri Tinah |